Kristy fiainantsika

Misy olona tsy mety mino nefa tinao handray famonjena?


Misy olona tsy mety mino nefa tinao handray famonjena?
Thème du mois : Mifampahery ny mpino

Misy olona tsy mety mino nefa tinao handray famonjena?

""Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao""

Tsy ny finoan'ilay marary no nahazoany fanasitranana fa ny finoan'ireo nibata sy nitondra azy hatreo anoloan'i Jesoa. Ahoana no fisehon'izany finoana izany? Afaka nihoatra ireo sakana tsy hahatongavana eo anoloan'i Jesoa izy efa-dahy. Feno olona ny manodidina sy tao anaty trano, tsy misy azo idirana. Ny tafon-trano no nanesorany mba hampidirana ilay paralysisa teo anoloan'i Jesoa. Olana maro no tsy maintsy novahana vao azo natao izany.

Misy olona tsy mety mino nefa tianao handray famonjena? Ny finoana sy ny olona vitsivitsy manodidina anao dia afaka hitondra azy eo anoloan'i Jesoa.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

22 août 2025

14 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro