Misy tanjona tsara nokendren' Andriamanitra amin'ny fahavelomanao

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Misy tanjona tsara nokendren' Andriamanitra amin'ny fahavelomanao
""Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany, ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, ...""
Resy lahatra Paoly fa nantsoin' Andriamanitra hatrany ankibon-dreniny ho apostolin'ny jentilisa; ry Jeremia sy Jaona mpanao batisa koa toa izany. "Namolavola ahy hatrany an-kibon-dreniko Hianao", hoy Davida tamin' Andriamanitra. Rehefa nahary ny olombelona tamin'ny andro faha-enina Andriamanitra dia hoy Izy: "Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany" - Genesisy 1:31 MG1865
Misy tanjona tsara nokendren' Andriamanitra amin'ny fahavelomanao, maika moa raha nandray famonjena dia nantsoina hanambara ny hatsaran'Ilay niantsoana anao ianao
Mombamomba
20 juillet 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor