Misy tsy mety! hoy ny jiromenan'ny Fanahy Masina

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Misy tsy mety! hoy ny jiromenan'ny Fanahy Masina
"Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana"
Ahoana no ahafantarana fa miasa ao anatinao ny Fanahy Masina? Moara miaiky heloka ianao, tsy milamina ianao raha vao manota. Misaora an' Andriamanitra fa ao anatinao ny Fanahy Masina ary aza mangataka andro fa mibebaha. Faly ery ny sasany fa nanan-karena tamin'ny kolikoly, nangala-badin'olona, mety namono olona mihitsy aza fa tsy nisy nahita. Loza no mitataho eo an-dohan'izany olona izany raha tsy tonga amin'ny fibebahana izy. Mivavaha ho an'ny olona maro toy izany mba hiasan'ny Fanahy Masina ka hotonga amin'ny fibebahana.
Vavaka:
Fanahy Masina ô, asehoy avokoa ny ota miafina aty anatinay. Amen
Mombamomba
7 mai 2026
30 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman