Mitady olona hanompo Azy Andriamanitra

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Mitady olona hanompo Azy Andriamanitra
""... fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah... Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah""
Mitady olona hanompo Azy Andriamanitra. Nandova fanompoana avy tamin'ny rainy Ely i Hofinia sy Finehasa zanany. Mpanompon' Andriamanitra izy mirahalahy saingy tena ratsy fanahy satria sady mpangalatra fanatitra no mpijangajanga.
Nanangana mpisorona ho Azy Andriamanitra. Zaza vao nateraka Samoela, natolotry ny reniny ho an' Andriamanitra ary nanao fanompoam-pivavahana nankasitrahan' Andriamanitra. Manao ahoana ny fanompoanao Azy?
Mombamomba
30 juin 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor