Kristy fiainantsika

Mitady olona hijoro ho vavolomben'ny fahavelomany Jesoa


Mitady olona hijoro ho vavolomben'ny fahavelomany Jesoa
Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina

Mitady olona hijoro ho vavolomben'ny fahavelomany Jesoa

""Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany""

Reraky ny fiainana ny maro. Sasatry ny mitady izay hohanina sy hosotroina ary hotafiana. Mivezivezy mitady zava-tsoa kanefa tsy mahita izay mahafa-po. Manao inona eto tokoa moa ianao?

Mitady olona hijoro ho vavolomben'ny fahavelomany Jesoa. Tiany raha izany no antom-pisianao. Hahazo hery avy amin'ny Fanahy Masina ianao mba hiainanao izany isan'andro. Hafa ihany izany fiainana misy antony sy tanjona izany. Velona ho an'ny fanjakan' Andriamanitra.

Katsaho mandrakariva izany fanjakan' Andriamanitra izany. Ny zato isan-jaton'ny fiainanao dia fijoroana vavolombelona. Dia omen'ny Tompo anao mihoatra izay hohaninao sy hotafianao ary hosotroinao!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

31 mai 2025

5 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro