Mitoetra ao amin'izay onenanao Jesoa

Mitoetra ao amin'izay onenanao Jesoa
""Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika;""
"Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra;" - Jaona 1:1-4. Ny Teny dia Ilay nalaoky ny vavan' Andriamanitra hoe : "Misia ny Mazava", dia nisy ny mazava, ary hitan' Andriamanitra fa tsara ny mazava.
Tsy nijanona ho tsy hita maso io Teny io fa tonga nofo, tonga olombelona ka niara-nonina tamintsika, "ary hitanay ny voninahiny" hoy Jaona. Vavao mahafaly izany. Tonga teto amin'ity tany anjakan'ny fahamaizinana ity Ilay nahariana ny mazava dia Jesoa Kristy. Nateraka tao an-tranon'omby Izy ary nataon'i Isaia hoe : "Lehilahy ory sady zatra fahoriana Izy" - Isaia53:3. Andriamanitra masina niara-nonina tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa. Nantsoina hoe : "Imanoela" Izy, izany hoe raha adika "Amintsika Andriamanitra"
🤲Vavaka :
Mivavaha mba hampahiratana ny masom-mpanahintsika ahitantsika an'i Kristy miara-monina amintsika
30 janvier 2026
5 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor