Mitondra anao hihazakazaka ho aiza ny finoanao?

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Mitondra anao hihazakazaka ho aiza ny finoanao?
""Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana ...""
Efa tsy any intsony Izy dia mbola ho any indray ve? Aza mizotra any amin'ny toerana tsy ahitana an'i Jesoa. "Indro, mialoha anareo any Galilia Izy" hoy ny anjely. "Asaovy makany Galilia ny rahalahiko fa any no hahitany Ahy" hoy Jesoa Matio.28:7,10. Any amin'ny toeran'ny velona no ahitana ny fahaveloman'i Jesoa. Atreho tsara ny fiainan'ny ankohonanao, ny asanao, ny fiainam-piangonana sy ny firenena fa izany no Galilia anehoan'i Jesoa ny fahavelomany.
🤲 Vavaka :
Ampaherezo ny zanakao hanao hazakazaka masina, hijoro ho vavolombelon'ny fahavelomanao. Amen
Mombamomba
9 avril 2026
27 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor