Kristy fiainantsika

Mitoria filazantsara amin'ireny toa fahavalon' Andriamanitra ireny


Mitoria filazantsara amin'ireny toa fahavalon' Andriamanitra ireny
Thème du mois : Olomboaantso ny mpino

Mitoria filazantsara amin'ireny toa fahavalon' Andriamanitra ireny

""... Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25)""

Tsy olon' Andriamanitra i Saoly fa fahavalony satria mpanenjika ny kristiana. Ny mpankahala Azy indray no nantsoiny ho mpanompony. Hoy izy: "Misaotra an'i Kristy Jesoa Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, dia izaho, izay mpiteny ratsy fainy, sady mpanenjika no mpamahory" - 1 Timoty 1:12-13 MG1865

"Tsy avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota" hoy Jesoa. Ianao koa, sokafy ho an'izay tsy olon' Andriamanitra sy tsy malalan' Andriamanitra ny fonao sy ny vavaka ataonao. Mitoria filazantsara amin'ireny toa fahavalon' Andriamanitra ireny fa hiova ho mpanompon' Andriamanitra mafana fo ny olona tahaka an'ireny.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

8 juillet 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro