Mitory filazantsara isan'andro eo amin'ny toerana nametrahan'ny Tompo anao ianao

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Mitory filazantsara isan'andro eo amin'ny toerana nametrahan'ny Tompo anao ianao
""Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy... Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy""
Fa maninona no nilaozan'izy efa-dahy ny asa nahavelona azy? Navesa-danja taminy kokoa ny antson'i Jesoa hoe : "Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo". Ilaina ny fanaratoana hazan-drano hatao sakafo saingy ambony lavitra noho izany ny fampidirana olona amin'ny fanjakan' Andriamanitra.
Manara-dia ny Tompo ianao saingy manohy ny asa fivelomanao fa izany asa izany no sehatra sy fomba hanaratoanao olona ho an'ny Tompo. Mitory filazantsara isan'andro eo amin'ny toerana nametrahan'ny Tompo anao ianao.
Mombamomba
11 octobre 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor