Mitsinjo anao manokana Andriamantira

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Mitsinjo anao manokana Andriamantira
""Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony""
Izay heverintsika ho fahamarinantsika dia tahaka ny lamba mihosin-drà eo anatrehan' Andriamanitra. Tsy misy azontsika hanamarinana ny tenantsika eo anatrehan' Andriamanitra masina, masina, masina indrindra. Ny famindram-pony no tsy nahalany ritra antsika. Izay hahazoantsika sitraka Aminy dia ny famindram-pony irery ihany. Mitarika antsika hanaja Azy izany ary mahatonga antsika tsy hihevi-tena ho marina na tsara noho ny hafa. Ny mason'i Jehovah mitsinjo izay manetry tena.
"Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?" - Isaia 40:27s
Mitsinjo anao manokana Izy
Mombamomba
22 décembre 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor