Mivavaha ka aza mitsahatra, fa marina koa ny hoe mibebaha ka aza mitsahatra

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Mivavaha ka aza mitsahatra, fa marina koa ny hoe mibebaha ka aza mitsahatra
""fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra""
Rehefa niantso an'i Mosesy Andriamanitra dia hoy Izy "...esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io" - Eksodosy 3:5 . Mivavaha ka aza mitsahatra, fa marina koa ny hoe: mibebaha ka aza mitsahatra! Tahaka ny fihanaky ny valan'aretina ny zava-doza ateraky ny fahotana. Na heverina ho madio aza ny tanana dia tsy maintsy sasàna mandrakariva, izany no hevitr'ilay teny hoe : "esory ny kapanao". Esory izay tsy mendrika sy mampipetimpetina fahalotoana amin'ny fitondran-tenanao. Mitondrà tena mendrika ny fiantsoana anao!
Mombamomba
24 juillet 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor