Mivavaha mba haneken'ny mpanjaka ny Mpanjaka

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Mivavaha mba haneken'ny mpanjaka ny Mpanjaka
"ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, ..."
Miankina betsaka amin'ny filoham-pirenena sy ny manam-pahefana isan-tokony ny fahatongavan'ny fiadanana eto amin'ny firenena. Izany no nahatonga an'i Paoly "nananatra voalohany indrindra mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana" ho an'ireny mpitondra fanjakana ireny. Afaka miasa amin'ny fomba tsy takatry ny saina ao amin'izy ireny Andriamanitra mba hanaovany ny andraikiny amin'ny fahamarinana. Ny fitiavan-tanindrazana dia aseho koa amin'ny vavaka tsy mitsahatra ho an'ny firenena.
Vavaka:
Ataovy mpiara-miasa Aminao mampanjaka ny fiadanana eto amin'ny firenena amin'ny alalan'ny vavaka izahay. Amen!
ᯤ Spotify :
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 7 juin 2026
Mombamomba
7 juin 2026
66 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman