Kristy fiainantsika

Miverina amin'ny fitiavana voalohany


Miverina amin'ny fitiavana voalohany
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Miverina amin'ny fitiavana voalohany

""... satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ...""

Rehefa babon'i Jesoa izay anie ny fo dia tena miova tanteraka ny fiainana ê! Lasa tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra ary ny fanahy rehetra! Tahaka ny mihinana sakafo matsiro ianao rehefa mamaky baiboly ary satrinao hiresaka amin'i Jesoa Ilay tia anao. Miova ny fiainana, izay tian'i Jesoa no tinao ary izay mahafaly Azy no ataonao. Izany no atao hoe fitiavana voalohany.

Niala tamin'izany fitiavana voalohany izany ny fiangonana tany Efeso ary nisy zavatra hafa tiany mihoatra an'i Jesoa ka nandidy ny nanapaka ny fiainany.

Ary ianao mba ahoana? Inona no zavatra avelanao hisongona an'i Jesoa eo amin'ny fiainanao? Mibebaha! Miverena amin'ny fitiavana voalohany


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

10 novembre 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro