Kristy fiainantsika

Mpanefa iraka izay itoeran'ny Fanahy Masina


Mpanefa iraka izay itoeran'ny Fanahy Masina
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Mpanefa iraka izay itoeran'ny Fanahy Masina

"... Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina"

Mirohatra mivavaka any am-piangonana ny olona ny alahady marainan'ny Pentekosta; misy atao batisa, raisina ho mpandray ary miombon-databatra amin'ny Tompo, manao akanjo fotsy. Fa ny harivan'ny alahady sy ny alatsinain'ny Pentekosta, nihoso-potaka tamin'ny lanonan'izao tontolo izao sy ny fisotroan-toaka ny sasany. Nandray ny Fanahy Masina ve izany olona izany? Izay nandray ny Fanahy Masina dia manahaka an'i Jesoa, manantanteraka ny iraka niantsoana azy. Dia ho vavolombeloko ianareo hoy Jesoa: izany ve no fiainanao?

Vavaka:

Fanahy Masina ô! Ny fiainanay isan'andro, ny asanai sy ny fitondran-tenanay ary ny fitenanay anie dia ho fanefanay ny irakao. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

25 mai 2026

41 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro