Mpitondra fanjakana manatsara fiainam- bahoaka

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Mpitondra fanjakana manatsara fiainam- bahoaka
"fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao ..."
Faly ery ny olona raha antsoina hoe mpanompon' Andriamanitra. Mpanompon' Andriamanitra ny mpitondra fanjakana araka izay voalaza eto. Noho ny fahefana avy amin' Andriamanitra nampindramina azy, dia tsy maintsy araka ny sitrapon' Andriamanitra ihany no anatanterahany ny fikarakarana ny fiainam-bahoaka. Ny sitrapon' Andriamanitra dia tsara ary mitondra fahatsarana eo amin'ny fiainam-bahoaka ny fampiharana izany. Ny mpanompo dia mandà tanteraka ny sitrapony mba hahafaly ilay tompoiny. Koa manompo an'iza marina ianao mpitondra? Mihatsara ve ny fiainam-bahoaka.
Vavaka:
ampahirato ny masom-panahin'ny mpitondra fanjakana mba hananany fahatahorana anao amin'ny fanaovana ny asany. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 20 juin 2026
Mombamomba
20 juin 2026
116 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman