Kristy fiainantsika

Nahazo maimaimpoana ary mizarazara maimaimpoana


Nahazo maimaimpoana ary mizarazara maimaimpoana
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Nahazo maimaimpoana ary mizarazara maimaimpoana

""Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy""

Izay nandray ny famonjena dia nomena be ary nampitehirizina be. Manan-karena amin'ny zavatra rehetra isika ao amin'i Jesoa Kristy (1 Korintina 1:5). "Anao avokoa izay rehetra ananako" hoy Andriamanitra Rainao (Lioka 15:31). Enga anie ka tsy ho tahaka ny mpanankarena mahantra isika na ho tahaka ny zanaky ny mpanjaka nefa mitondra tena tahaka ny mpangataka. "Efa nahazo maimaimpoana hianareo, ka manomeza maimaimpoana" hoy Jesoa Matio 10:8, "Omeo dia mba homena hoanareo" - Lioka 6:38a. Inona no misy any aminao? Ny mpianatra nilaza hoe : "Tsy manana afa tsy mofo dimy sy hazan-drano roa izahay". Fa rehefa natolony an'i Jesoa izany dia nahavoky ireo olona noana marobe.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

9 novembre 2025

3 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro