Kristy fiainantsika

Nampibebahan'ny fahombiazana


Nampibebahan'ny fahombiazana
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Nampibebahan'ny fahombiazana

""Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho""

Hoy ny fibebahan'i Petera : "Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho" - Lioka 5:8. Feno hazan-drano ny sambokely roa ka efa saiky nilentika! Manoloana ny fahombiazana toy izany dia misy olona mandoka tena ka miteny hoe : "Tsy mahalala ahy angaha ianao, iza no mbola nahavita toy izao?"

Naneho ny maha Andriamanitra an'i Jesoa ary mampiharihary ny maha mpanota an'i Petera ny nahazoany hazandrano marobe.

Mitaona anao hibebaka ny fitahiana marobe noraisinao tamin' Andriamanitra. Tsy avy aminao fa Izy no naha toy izao anao. Miankohofa eo anatrehany tahaka an'i Petera, manetre-tena fa mamela heloka Izy.

🤲 Vavaka:


Mifona aminao izahay fa ratsy fanaonay olonao ny manandran-tena

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

7 mars 2026

4 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro