Natao ho an'iza ny teny fikasana?
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Natao ho an'iza ny teny fikasana?
""Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy""
"Enga anie ka tanterahan' Andriamanitra amiko io teny fikasana io". Irin'ny olona rehetra izany Andriamanitra mialoha lalana azy izany ka manokatra ny varavarany mikatona rehetra.
Iza no misitraka izao teny fikasàna izao? Izay manaiky hizara ny famonjena, izay manaiky hitondra fahafahana ho an'izay voababon'ny fahotana.
Kirosy, mpanjaka jentilisa aza nomen' Andriamanitra izany teny izany satria nantsoina hanafaka ny Zanak'Israely izy, mihoatra lavitra noho izany ianao izay nanaiky Azy ho Tompo.
Mombamomba
12 juin 2025
5 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor