Nekenao ho an'ny tenanao ve ny sorona nataon'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana?

Nekenao ho an'ny tenanao ve ny sorona nataon'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana?
""... ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany""
Nisy ireo nahavery ny ainy noho ny fitiavan-tanindrazana, tsara koa ny fikelezan'aina noho ny fitiavana ny ankohonana, fa ianao ve sahy mamery ny ainao noho ny fitiavanao an'i Jesoa? "Mandà ny tena ary mitondra hazo fijaliana" satria tsy menatra ny hanao ny sitrapon' Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao feno fihatsaram-belatsihy ity.
Iza no afaka hanao sorona ny ainy noho ny fitiavana an'i Jesoa? Hoy ny 1 Jaona 4:19 "Isika tia satria Izy efa tia antsika taloha". Efa noraisinao ve ny fitiavan' Andriamanitra anao? Nekenao ho an'ny tenanao ve ny sorona nataony teo amin'ny hazo fijaliana? Raha "Eny" inona ary no avalinao Azy? "Hoy Izy : Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko" - Jaona 14:15
4 novembre 2025
7 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor