Kristy fiainantsika

Nirahin' Andriamanitra ho anao Jesoa, hatraiza ny fandraisanao izany?


Nirahin' Andriamanitra ho anao Jesoa, hatraiza ny fandraisanao izany?
Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra

Nirahin' Andriamanitra ho anao Jesoa, hatraiza ny fandraisanao izany?

""Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare""

Mpaminany sy mpanjaka maro fahiny tokoa no te ahita sy ahare an'i Jesoa fa tsy nahazo fahafaham-po. Ireo olona marobe nahita maso an'i Jesoa ary nandray fahasoavana taminy aza tsy nahalala ny antondiany tety. Fitahiana ara-nofo mandalo fotsiny no nitadiavany Azy fa tsy fihavanana Aminy sy fanaovana ny sitrapony. Nahiratra ny mason'ny mpianatra, nahalala an'i Jesoa araka izay nanirahan' Andriamanitra Azy tety an-tany izy ireo. Ary ianao, ahoana kosa ny fahalalanao Azy?


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

16 décembre 2025

10 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro