Kristy fiainantsika

Nitolona tamin' Andriamanitra ... ka nahery


Nitolona tamin' Andriamanitra ... ka nahery
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Nitolona tamin' Andriamanitra ... ka nahery

""... ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra; Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; ...""

"Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahianao aho" hoy Jakoba tamin' Ilay anjelin' Andriamanitra nitolona taminy mandra-pahazavaratsin'ny andro. Dia hoy Andriamanitra : " Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery" (Genesisy 32:25-29)

Ao amin'ny Lioka 18:1, Jesoa dia namporisika hoe : "tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka" ary fanoharana ny amin'ilay vehivavy mpitondratena niady rariny tamin'ilay mpitsara tsy matahotra an' Andriamanitra na menamaso olona no nanazavany izany. Mahazo rariny tahaka io vehivavy io ary tahaka an'i Jakoba izay mazoto mitady an' Andriamanitra


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

27 novembre 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro