Nomen' Andriamanitra mihoatra ianao mba hanomezanao ny hafa

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Nomen' Andriamanitra mihoatra ianao mba hanomezanao ny hafa
""... dia hanampy ho anareo izany rehetra izany""
Mahafinaritra izany! Inona "izany rehetra izany?" Izay hohanina sy hosotroina ary hotafiana! Tsy mijanona amin'ny sahaza fa avelan' Andriamanitra hihoatra noho izay ilaintsika no omeny antsika mba hisy homentsika ny hafa koa!
Tsy ny olona mangalatra sy manao kolikoly ary manao an-keriny ihany araka ny fahitantsika no afaka manana mihoatra fa izay mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany. Rehefa manana an'i Jehovah ho Andriamaniny ny firenena dia ho feno mitafotafo ny trano fitehirizana (Salamo 144:13-15)
🤲 Vavaka :
Mivavaha mba hahatonga ny kristiana rehetra ho fon' Andriamanitra sy tanany hamonjy ny hafa
Mombamomba
14 février 2026
15 vues
6 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor