Novonjena hampisy tsiro izao fiainana matsatso sy mangidy izao ianao

Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Novonjena hampisy tsiro izao fiainana matsatso sy mangidy izao ianao
""Hianareo no fanasin'ny tany; ...""
Aza atao tsinontsinona ny vaha olana avy amin' Andriamanitra. Vaovao mahafaly! Tsy anjely fa izaho sy ianao mpanota mibebaha no fanafodin'ny fahalovan'ity tany ity, novonjena hampisy tsirony izao fiainana matsatso sy mangidy izao. Voninahitra an-tsobiky aza atao am-patram-bary, zaranao aza nataon'i Jesoa hoe : "fanasin'ny tany" ary tena izany tokoa ianao raha mitoetra ao am-ponao Izy.
Aza manao hoe : "Inona moa izay izaho !"; misy dikany sy antony ary tanjona ny fahavelomanao. Avelao hanjaka feno eo amin'ny fiainanao Jesoa dia hisongadina ho azy ny maha fanasina anao.
🤲 Vavaka :
Mangataha mba hihena ny fahalovana eo amin'ny sehatra rehetra misy kristiana
Mombamomba
25 janvier 2026
13 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor