Ny andro sisa lanio amin'ny fanefana iraka

Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino
Ny andro sisa lanio amin'ny fanefana iraka
"mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra"
Efa nanaiky an'i Jesoa ho Tompo tokoa ve ianao? Mpanatanteraka iraka ianao raha eny ny valin'izany! Lanio amin'izany ny andro sisa iainanao, ampiasao hanaovana ny sitrapony ny fahasalamanao, ny asanao, ny fahaizanao, ny volanao sy izay rehetra nampindraminy anao. Betsaka ny fotoana very nanaranam-po tamin'ny filan'ny nofo sy ny fanaon'izao tontolo izao.
Tahaka ny mpanao baolina kitra isika ka manontany hoe : "firy ny ambin'ny fotoana?". Isika rehetra koa dia mpanontany hoe : "Ohatrinona ny ambim-bola?". Ampiasao tsara amin'izay laharam-pamehan' Andriamanitra ny andro sisa ahavelomanao.
Vavaka: Mba ho vitanay amin'izay andro sisa iainanay anie izay anirahanao anay ety. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 3 juillet 2026
Mombamomba
3 juillet 2026
139 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman