Ny fanaovana ny sitrapon' Andriamanitra no antom-pisiana tsara indrindra

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Ny fanaovana ny sitrapon' Andriamanitra no antom-pisiana tsara indrindra
""Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany""
Amin'ny roa ambiny folo atoandro ny ora. Nandeha nividy sakafo ny mpianatra, Jesoa kosa nitory filazantsara tamin'ity vehivavy Samaritana, teo amin'ny fatsakana. Vita ny fitoriana ny filazantsara tamin'ilay vehivavy, tonga kosa ny mpianatra nitondra sakafo atoandro ho an'i Jesoa ka niteny hoe : "Hano Raby ô". Tahaka ny olona efa voky Jesoa, satria vita ny anton-diany teo, nibebaka ilay vehivavy ary afa-po Jesoa. Tsy nahatsiaro noana Izy.
Fa ianao kosa, inona no amokisanao ny saina, ny fo amam-panahinao ary ny vatanao? Tsy mety voky ary tsy mety afa-po ny olombelona. Jesoa ilay mofon'aina ihany no afaka hameno ny fiainantsika ary ny fanaovana ny sitrapony no atom-pisiana tsara indrindra
Mombamomba
22 octobre 2025
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor