Kristy fiainantsika

Ny fihavanana tamin'Andriamanitra tety ihany no mitohy rahatrizay


 Ny fihavanana tamin'Andriamanitra tety ihany no mitohy rahatrizay
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Ny fihavanana tamin'Andriamanitra tety ihany no mitohy rahatrizay

"Hoy Jesoa "... izay itoerako no hitoeranareo koa""

Ny fiainan'ny mpanara-dia Azy (Jesoa) aorian'izao fiainana eto an-tany izao no ambaran'i Jesoa eto. "Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho" hoy Izy (Jesoa). Dia mandeha ho azy amin'ny maro ny filazàna ny amin'ireo nodimandry hoe : "Nantsoin'ny Ray hody any Aminy", izay itoerany no itoeran'izany olona izany, izany no tiany lazaina. Fa amin'izao fiainantsika eto an-tany izao, ao amin'izay itoeranao ankehitriny ve dia itoeran'ny Tompo koa? Ao amin'ny ankohonanao, amin'ny fitadiavam-bola sy ny asanao, amin'ny haino aman-jery sy ny lanonana atrehinao, manatrika eo koa ve ny Tompo, ankasitrahany ve ny ataonao? Misy olona tsy miara mitoetra amin'ny Tompo ankehitriny ve dia hiara mitoetra aminy rahatrizay? Ny fihavanana tamin'Andriamanitra tety ihany no mitohy hatrizay.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

1 novembre 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro