Kristy fiainantsika

Ny filazantsara dia herin' Andriamanitra mampiala anao amin'ny fahotana


Ny filazantsara dia herin' Andriamanitra mampiala anao amin'ny fahotana
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Ny filazantsara dia herin' Andriamanitra mampiala anao amin'ny fahotana

""... mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ...""

Voarainao ve ny fahasoavan' Andriamanitra? Azonao antoka ve fa voavela ny helokao? Tononintsika rehefa manolo-tena anie izany fahatokiana izany ê! "Voavela ny heloka ary azoko ny famonjena".


Ny fahamarinan'izany eo amin'ny fiainanao dia manova ny fihevitrao sy ny lalanao ho amin'ny sitrapon' Andriamanitra. Ny filan'izao tontolo izao fanao fahiny dia maharikoriko ankehitriny, lasa miaina amin'ny toe-panahy araka an' Andriamanitra ianao, mahafehy tena ary tia fahamarinana. Ny filazantsara dia herin' Andriamanitra mampiala anao amin'ny fahotana ary mampamoa fiainam-baovao ao amin'i Kristy.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

19 novembre 2025

10 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro