Ny finoana dia hamarinina amin'ny fanapaha-kevitra

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Ny finoana dia hamarinina amin'ny fanapaha-kevitra
""Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy""
"Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina" - Matio 22:14. Ho an'ny olona rehetra ny famonjena, izao tontolo izao no notiavin'i Jesoa, hatrany amin'ny faran'ny tany no itoriana filazantsara saingy izay mino ihany no hovonjena. Ny finoana dia hamarinina amin'ny fanapaha-kevitra. Raha manaiky hiditra ao amin'ny fanasana ianao dia tsy maintsy manaiky koa hanaisotra ilay akanjo fanao an-davan'andro ary hanao ny fanamiana mendrika izany antso miavaka izany. Maro ny olona no tsy tena mibebaka sy miala amin'ny ratsy fanaony fa ny maha vita batisa sy maha mpandray ny fanasan'ny Tompo no mavesa-danja aminy. Ho voaroaka any ivelany izany mpamita-tena izany.
Mombamomba
5 octobre 2025
3 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor