Kristy fiainantsika

Ny harenanao ety an-tany, ampiasao hihariana harena any an-danitra


Ny harenanao ety an-tany, ampiasao hihariana harena any an-danitra
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Ny harenanao ety an-tany, ampiasao hihariana harena any an-danitra

""... Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza ... mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany""

Inona no imatimatesanao eto amin'ity tany ity? Inona no tsy mampandry andro aman'alina anao? Inona no andrasanao? Inona no antenainao? Nitanisa ireo asa mahagaga noheveriny hahitana fahasambarana Solomona eo amin'ny Mpitoriteny tokoa faharoa. Fa ny fara-teniny dia izao : "Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro" - Mpitoriteny 2:11

🤲 Vavaka:


Andriamanitra ô! mba tsy hisasa-poana sy hisambo-drivotra izahay amin'izay ataonay ety, mba hihary harena any an-danitra maharitra mandrakizay izahay!

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

18 mars 2026

15 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro