Ny lehibe dia mpanompo

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Ny lehibe dia mpanompo
"Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;"
"... Fantatrareo fa, eo amin’ny hafa firenena, ny filoha dia manjakazaka; ary ny lehibe dia manampatra fahefana. Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; ..." (Matio 20:25-26 DIEM) hoy Jesoa. Ny jentilisa mpitondra fanjakana no mpanjakazaka sy mpanampatra fahefana satria tsy manaiky ho eo ambany fahefan' Andriamanitra izy.
Tety ambonin'ny tany, tsy tonga mba hitompoina Jesoa fa tonga mba hanompo. Izay mitondra ny Anarany ka antsoina hoe "kristiana" dia tsy maintsy manahaka Azy. Manompo ny hafa, izany no atao hoe lehibe.
Vavaka:
Mba hanahaka Anao Kristy ny kristiana tsirairay, manompo ny hafa eo amin'ny sehatra ametrahanao azy. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 12 juin 2026
Mombamomba
12 juin 2026
92 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman