Ny momba antsika dia be lavitra noho ny fahavalo

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Ny momba antsika dia be lavitra noho ny fahavalo
""Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany ...""
Dia nampahiratin' Andriamanitra tokoa ny mason'ity zatovo ity ka nahita ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa izy. Afaka ny tahotr'ilay zatovo na dia nanodidina azy sy Elisa aza ireo miaramila marobe tonga hisambotra. Hoy ny Salamo 34 : 7 : "Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy". Mangataha amin' Andriamanitra mba hampahiratany ny masom-panahinao fa ny momba anao dia be noho ny fahavalo. Noho izany, matahora an' Andriamanitra, ataovy ny sitrapony, aza menatra no ho vavolombelon'ny Tompo fa ho amin'izany indrindra no niantsoany anao.
Mombamomba
9 août 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor