Ny olom-boaantso dia tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Ny olom-boaantso dia tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady
""Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any; fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity""
Misy mpitondra fivavahana sandoka tahaka an'i Amazia, miray tsikombakomba amin'ny manampahefana manohitra ny hafatra masina avy amin' Andriamanitra mitarika azy ireny hiala amin'ny ratsy fanaony. Nampitahotra an'i Amosa mpaminany izy teto handositra mba tsy handrenesan'ny mpanjaka ny hafatra mampibebaka ny mpanjaka sy ny vahoaka. Ny olom-boaantson'ny Tompo dia tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady, tsy mandositra hazo fijaliana.
Mombamomba
25 juillet 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor