Ny olona nandray ny famonjena dia te hamonjy ny hafa ihany koa

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Ny olona nandray ny famonjena dia te hamonjy ny hafa ihany koa
""Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, ... Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina ...""
Izay tena nandray ny famonjena dia sahy mijoro vavolombelona. Matoa tsy manan-kambara dia tsy nandray. Hoy Jesoa : "Fa amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vavany" - Lioka 6:45b. Raha ny fitiavam-bola no betsaka ao am-pon'ny olona iray dia ny resa-bola foana no mivoaka ny vavany. Fa raha ny namonjen'i Jesoa azy kosa no mavesa-danja indrindra ao amin'ny fiainany dia hangina ve? Tsia, tsy azo ampanginina ny olona nandray famonjena satria sarobidy aminy izany; fantany koa fa sarobidy amin'i Jesoa ny olombery iray koa ahoana no tsy hiteny?
Mombamomba
22 juillet 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor