Kristy fiainantsika

Ny sitrapon' Andriamanitra ihany no tsara


Ny sitrapon' Andriamanitra ihany no tsara
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Ny sitrapon' Andriamanitra ihany no tsara

""Atao anie ny sitraponao ety an-tany ...""

Noforonin'Andriamanitra ho tsara indrindra isika olombelona sy ity izao tontolo izao onenantsika ity. Nitsondrano antsika Izy mba hiainantsika amin'ny fahasambarana eto amin'ity tany ity. Nitsondrano antsika Izy mba hiainantsika amin'ny fahasambarana eto amin'ity tany ity. Tsy mbola miova izany fiheveran' Andriamanitra ny momba antsika izany ary izany foana Izy.

Raha misy mividy fiara na fahitalavitra na finday dia tsy maintsy miaraka amin'izany ny taratasy milaza ny mombamomba azy sy ny fampiasana azy. Toy izany koa isika olombelona sy izao tontolo izao noforonin' Andriamanitra, Nomeny antsika ny mombamomba Azy sy ny sitrapony mba hiainantsika amin'ny fahasambarana. Vakio ny baiboly dia ho fantatrao ny sitrapon'Andriamanitra mahatsara anao.


🤲Vavaka: 

Mivavaha mba ho ny fiainan'ny kristiana tsirairay no valin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

1 février 2026

14 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro