Kristy fiainantsika

Ny sitrapon'iza no atao eto amin'ny firenana?


Ny sitrapon'iza no atao eto amin'ny firenana?
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Ny sitrapon'iza no atao eto amin'ny firenana?

"Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany ..."

Inona no tonom-bavaka betsaka indrindra tonga any amin' Andriamanitra any? Inoana fa ny vavaka nampiarain'ny Tompo misy ny hoe : "Atao anie ny sitraponao ety an-tany!". Dia atao ety an-tany tokoa ve ny sitrapony? Ataon'ny kristiana manonona mandrakariva io vavaka io eo amin'ny fiainany manokana sy ny fiainan'ny ankohonany ary ny asa ataony ve ny sitrapon' Andriamanitra? Isika mivavaka hoe: "atao anie ny sitraponao" nefa isika tsy mikatsaka izany sady tsy miady mafy hanao ny sitrapony?

Raha hita eo amin'ny fiainantsika ny valin'io vavaka io dia tsy ho toy izao mihitsy ny fiainan'ny firenentsika.

Vavaka:

Ataovy manahaka Anao izahay Ilay nivavaka hoe : "Tsy ny sitrapoko anie atao fa ny anao"

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 4 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

4 juin 2026

26 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro