Ny toe-pontsika no jeren' Andriamanitra voalohany vao ny zavatra ataontsika ety ivelany

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Ny toe-pontsika no jeren' Andriamanitra voalohany vao ny zavatra ataontsika ety ivelany
""Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo""
Tsy ny hahazoana fitahiana manana amby ampy no anton'ny hanolorana fahafolon-karena. Filan-karena no antony manosika amin'izany fa tsy fitiavana an' Andriamanitra. Izy ve dia fitahinao tahaka ny fanaon'ny mpisotro toaka hoe : "Doniko tapany handoa erany?". Ny toe-pontsika no jeren' Andriamanitra voalohany vao ny zavatra ataontsika ety ivelany. "Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany" - 1 Korintiana 13:3. Raha manaiky an'i Jesoa ho Tompo ianao dia Azy zato isan-jato ianao sy ny fanananao.
Mombamomba
15 octobre 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor