Ny Tompo no tompon'ny tany tontolo
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Ny Tompo no tompon'ny tany tontolo
"«... Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo»"
Ny Tompo no tompon'ny tany tontolo. Azy ny tany sy izay rehetra eo aminy. Mpitantana ny fananany fotsiny isika, mpiandraikitra sy mpindrana. Izay rehetra lazaina fa anao dia tsy misy anao fa Azy avokoa. Aza manodikodina ny fananan' Andriamanitra. Ampiasao sy tantano araka ny sitrapony ireny. Hoy Joba : "Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'i neny ... Jehovah no nanome ary Jehovah no manaisotra ...".
Aza manangona harena an-keriny na am-pitaka na amin'ny fanambakana. Ny Tompon'ny tany rehetra tsy maintsy hampanao am-pamoaka.
Mombamomba
3 juin 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor