Kristy fiainantsika

Ny zanaka tiana no anarina sy faizina


Ny zanaka tiana no anarina sy faizina
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Ny zanaka tiana no anarina sy faizina

""dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza""

Ampandehanin' Andriamanitra ho babo any amin'ny firenena hafa ny zanany. Izany ve dia Andriamanitra fitiavana? Mafy loatra izany fahababoana izany. Fa inona no antony? Niala tamin'Andriamanitra ny Zanak'Israely ary nanompo sampy. Ny zanaka tiana no anarina sy faizina.

Inona no fahababoana mihatra aminao? Tia anao Andriamanitra, tsy mahafoy anao Izy, ny fiverenanao Aminy dia iriny fatratra.

Rehefa fantatrao fa Izy no Andriamanitrao dia manafaka anao amin'ny fahababoana Izy.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 juin 2025

6 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro