Kristy fiainantsika

Ny zavatra rehetra, na ny olona rehetra miara-miasa hahasoa ny olomboaantso


Ny zavatra rehetra, na ny olona rehetra miara-miasa hahasoa ny olomboaantso
Thème du mois : Olomboaantso ny mpino

Ny zavatra rehetra, na ny olona rehetra miara-miasa hahasoa ny olomboaantso

""Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao""

Olom-boafidin'Andiamanitra tahaka an'i Jakoba na Israely ve ianao? Mikarakara sy mihevitra izay iheverana anao manokana Andriamanitra. Kyrosy, mpanjaka jentilisa tsy mahalala Azy akory no nantsoiny handray an-tànana ny mpanompony.

"Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo." - Romana 8:28 - MG1865. Tsy ny zavatra rehetra ihany fa na ny olona rehetra koa aza dia ampiasain'Andiamanitra hamolavola sy hikolokoloana ny olom-boafidiny. Izany no maha Andriamanitra Azy.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 juillet 2025

7 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro