Olona tokony hanao ahoana ary ianao raha miandry sy manantena ny fiavin'ny Tompo?

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Olona tokony hanao ahoana ary ianao raha miandry sy manantena ny fiavin'ny Tompo?
""... ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo ?...""
"Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay" - 1 Korintiana 13:8
Na ho dorana sy ho levona avokoa aza ny asa sy ny zavatra rehetra amin'ny andro farany, izay rehetra natao tam-pitiavana kosa, na inona na inona, dia lasa rakitra any an-danitra voatahiry mandrakizay. Olona tokony hanao ahoana ary ianao raha miandry sy manantena ny fiavin'ny Tompo. Mba tsy hahalevona ny izay nisasaranao tety dia aoka ny fitiavan'i Kristy no hery manosika anao hanao ny zavatra rehetra. Tsy levona mandrakizay izay rehetra nataono tety, na dia ny rano mangatsiaka eran'ny kapoaka nomena ny mangetaheta fotsiny aza
Mombamomba
12 novembre 2025
14 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor