Omen'Andriamanitra anao ny zava-tsoa sy tsara indrindra

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Omen'Andriamanitra anao ny zava-tsoa sy tsara indrindra
"Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?"
Inona no zava-tsoa ambony indrindra ambaran'i Jesoa eto? Ny Fanahy Masina.
Mandrakariva, rehefa mivavaka isika dia ny fahasalamana, vahaolana, vola, fitahiana eto an-tany no mavesatra amintsika ka angatahintsika mandrakariva.
Ny Fanahy Masina dia mitovy amin'ny fahendrena nangatahan'i Solomona. Omen' Andriamanitra anao avokoa izay angatahinao rehefa anananao ny fahendren'ny Fanahy Masina.
Vavaka:
Mba ho mavesa-danja amin'ny vavaka ataonay isan'andro anie ny fangatahana ny fahafenoan'ny Fanahy Masina. Amen
Mombamomba
19 mai 2026
100 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman