Omeo hasiny sy lanjany ny maha ambasadaoron'ny lanitra anao

Omeo hasiny sy lanjany ny maha ambasadaoron'ny lanitra anao
""... solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo""
Vaovao mahafaly izany! Mandefa iraka hisolo Azy ao amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina sy ny toeram-piasana Kristy, ianao izany!
Ambasadaoro izany! Tahaka ny solonten'ny firenen-kafa eto amintsika, manambara ny hatsaran'ny tany niaviany dia izany ianao. Ny tany niavianao dia any an-danitra, manambara ny hatsaran'i Kristy no anton'ny ahavelomanao. Tsy velombelom-poana na mivenjivenjy tsy misy tanjona anao eto fa mitady sy mamonjy ny very. Misaotra Azy fa mbola nomeny izao taom-baovao izao.
Olon'ny fihavanana ianao. Apetraky ny Tompo eto isika, tsy hanao ny fanaon'izao tontolo izao fa mba hampihavanana azy amin' Andriamanitra. Koa aza mandraraka ilo mby an-doha ary, omeo hasiny sy hajany ny maha ambasadaoro anao dia tanteraho izay nanirahana anao ...
Vavaka :
Mivavaha mba haneho ny fahatsaran'i Kristy ny mino Azy
29 janvier 2026
5 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor