Kristy fiainantsika

Ouuf! Vita ihany ny fiofanana! Haka aina kely aloha


Ouuf! Vita ihany ny fiofanana! Haka aina kely aloha
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Ouuf! Vita ihany ny fiofanana! Haka aina kely aloha

"Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana"

Maro amin'ny olona no tsy tapaka nianatra tamin'ny katekomena, niofana ho diakona, niomana ho mpiandry, ... Naharitra tamin'ny fampianarana sao tsy raisina na tokanana. Vao azony izay notadiviny dia niala sasatra aloha fa vizana nianatra sy niofana. Ianao miala sasatra fa ny devoly miasa mafy hampiverin-dalana anao. Marina tamin'ireny ny tenin' i Jesoa hoe : "Ratsy kokoa ny farany noho ny tamin'ny voalohany". Izay nandray marina ny Fanahy Masina dia maharitra amin'ny fianarana Soratra Masina sy fiaraha-mivavaka. Tahaka ny rano sotroiny sy rivotra iainany izany.

Vavaka:

Ho fifalianay isan'andro anie ny mianatra sy miresaka aminao Fanahy Masina. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

27 mai 2026

57 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro