Kristy fiainantsika

Porofoy amin' Andriamanitra fa mahatoky ianao dia ho hitanao ny fitahiany


Porofoy amin' Andriamanitra fa mahatoky ianao dia ho hitanao ny fitahiany
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Porofoy amin' Andriamanitra fa mahatoky ianao dia ho hitanao ny fitahiany

""... ary ho fitahiana tokoa ianao""

Ny hotahiana no anton'ny ivavahan'ny maro amin' Andriamanitra fa ny mba ho fitahiana ny hafa tsy mba ao an-tsainy. Abrahama nomena izao teny fikasana izao dia tia an' Andriamanitra sady nahatoky Azy.

Hoy Andriamanitra : "Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havana ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany hasehoko anao" - Genesisy 12:1. "Ka dia niainga izy nefa tsy fantany izay halehany" - Hebreo 11:8b. Rehefa nasain' Andriamanitra hatolotra ho fanatitra i Isaka zanany lahitokana dia nataony izany nohony fitiavany an' Andriamanitra.

Porofoina amin'ny fankatoavana ny fitiavana an' Andriamanitra. Fitiavana an' Andriamanitra madio no anton'ny nanarahan'i Abrahama Azy. Toy izany koa Joba, tsy niala tamin' Andriamanitra mihitsy izy na dia nesorina teo aminy avokoa aza ny fananany rehetra sy ny zanany. Noheveriny ho tenin'ny vehivavy adala ny famporisihanay azy hiala amin' Andriamanitra.

🤲 Vavaka :

Mangataha mba ho voaporofo amin'izay ataontsika isan'andro ny toriteny rehetra norenesintsika


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

17 février 2026

15 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro