Raha afenina ny anton'ny aretina dia tsy misy fanasitranana

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Raha afenina ny anton'ny aretina dia tsy misy fanasitranana
""Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy""
Bokan'ny inona ianao? Fahafaham-baraka? Fahazaran-dratsy? Ditranao sa an'ny ankohonanao? Trosa sa inona?
Efa nisalasala ity boka ity fa angamba tsy mety hanadio azy Jesoa. Mahagaga ny fahefam-pitiavan'i Jesoa. Sady nanendry ilay vatana maharikoriko Izy no niteny hoe "Mety Aho, madiova ianao".
Mampalahelo fa misy tsy manaiky hikasihan'i Jesoa ny habokany. Inona no mahatonga an'io zava-mahamenatra io? Tsy avelany hiditra lalina amin'izany Jesoa. Raha afenina amin'ny dokotera ny anton'ny aretina dia tsy misy fanasitranana. Raha mety miaiky heloka ianao dia mety manadio anao ary mety mandray an-tanana ny fiainanao Jesoa.
Mombamomba
2 juin 2025
10 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor