Raha zanaka mahatoky ianao, aza miteny foana hoe : loza !

Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Raha zanaka mahatoky ianao, aza miteny foana hoe : loza !
""Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany""
"Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo" - Isaia 55:8-9. Misy fanantenana ho anao amin'ny farany ao anatin'ny fanekenao ny fihevitr' Andriamanitra sy ny lalany.
Ovay ny toe-po amam-panahy, ovay ny fomba fiteny mahazatra hoe : "loza". Tsy miteniteny foana toy izany izay mametraka am-pitokiana ny fiainany amin'ny Tompo!
🤲 Vavaka :
Mangataha amin' Andriamanitra mba ho teny maneho fahatokiana Azy no alaoky ny vavantsika
Mombamomba
8 janvier 2026
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor