Kristy fiainantsika

Rehefa mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany isika dia omeny mihoatra noho izay ilaintsika isika

Rehefa mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany isika dia omeny mihoatra noho izay ilaintsika isika
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Rehefa mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany isika dia omeny mihoatra noho izay ilaintsika isika

""Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay""

Feno ny trano fitehirizana, misy vokatra betsaka samy hafa karazana, miteraka arivoarivo sy alinalina ny ondry. Tsy olana ny fitomboan'isan'ny mponina raha milofo amin'ity asa fanompoana voalohany nomena antsika ity isika.

Raha ara-dàlana ny fihavanana amin' Andriamanitra dia miverina amin'ny laoniny ny fikarakarana sy fampamokarana ny tany. Tsy mijanona amin'ny fikatsahana ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany isika fa mampihatra izany amin'ny fikarakarana ny fiainana ety ambonin'ny tany. Samy mahazo ny sakafo sahaza ho azy avokoa ny tsirairay.

🤲 Vavaka :

Mivavaha mba hatao anie ny sitrapon' Andriamanitra ao amin'ny ministera mikarakara ny fananan-tany, ny fambolena sy fiompiana

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 février 2026

16 vues

3 min

Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro