Kristy fiainantsika

Rehefa toa lavitra an'Andriamanitra iny


Rehefa toa lavitra an'Andriamanitra iny
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Rehefa toa lavitra an'Andriamanitra iny

""Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?""

Dia marina tokoa ve fa miafina tsy hitan' Andriamanitra ny lalanao ary mihelina tsy hitan' Andriamanitra ny rariny tokony ho anao? Izy Ilay nanao ny maso ve dia tsy hahita? Hoy ihany Izy : "Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va? Fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay mamorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho sasatra na reraka Izy, tsy takatry ny saina ny fahalalany". Aiza ary ny olana? "Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy" -Isaia 59:1-2


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

6 novembre 2025

4 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro