Ry miaramila tsaran'i Kristy, aza ketraka fa miara mandeha aminao ny Kapiteninao

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Ry miaramila tsaran'i Kristy, aza ketraka fa miara mandeha aminao ny Kapiteninao
""... koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo ...""
Raha mbola eto amin'ity izao tontolo izao ity ianao dia tsy maintsy miady ny ady tsaran'ny finoana. Tsy olombelona no fahavalonao fa fanahy ratsy eny amin'ny rivotra, masiaka tahaka ny liona mierona. Ianao dia atao hoe miaramila tsaran'i Kristy na miaramilan' Andriamanitra velona, tsy kristiana tsotra izany. Ny ady tsaran'ny finoana dia mampifantoka anao any amin'Ilay kapiteninao dia Jesoa; tsy ketraka, tsy matahotra, tsy mikorapaka foana ary tsy mangorohoro ianao raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra.
Ny olona tsy manam-pinoana no midera ny devoly ka manao hoe : "ny ratsy tsy kely lalana, mahery ny asan'ny devoly". Miara mandeha aminao Jesoa
Mombamomba
19 juin 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor