Sady manaiky no manatanteraka

Sady manaiky no manatanteraka
"Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa"
Misy olona midify manoloana ny olona mila vonjy mitaraina aminy. "Aza matahotra fa mivavaka ho anao aho!" hoy izy. Ialàny haingana amin'ny fandraisana andraikitra tokony hataony fotsiny izany fa izy angaha hivavaka ho anao izany! Misy olona onena manoloana ny fahavoazan'ny hafa fa tsy manao na inona na inona, maro no mitsetsetra rehefa mandre toriteny fa tsy misy fankatoavana.
Tsy ho an'ny mpanankarena sy ny manana ny ampy ihany ny famonjena ny hafa. Misy amin'izy ireny aza mitsentsitra ny hatsembohan'ny hafa ary mampahantra ny maro. Ianao izay milaza fa mahantra io indrindra no irahin'ny Tompo hankatò amin'ny finoana. Rehefa mihetsika ianao dia momba anao Izy. Aza miandry ho mpanan-karena, mandehana amin'izao herninao izao!
Vavaka: Ampio izahay mba hanamporofoinay amin'ny asanay ny finoanay Anao. Amen!
Sary : Fanaovana ho "en dur" ny FJKM Betamotamo, Mahanoro
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 24 juillet 2026
24 juillet 2026
71 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman